Actualités

Trano ho an’ny mpiasam-panjakana Nahazo tombony ny any Alaotra


  • Sabotsy 10 Oktobra 2015

Ao Antsahamarova-Ambatondrazaka no toerana voalohany hanorenana ireo trano fonenan’ny mpiasam-panjakana. Tonga tany an-toerana nametraka ny vato fehizoro hanombohana ny asa omaly ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

  

 

 

Velarantany 1,5 Ha no hanorenana trano amin’ny endriny roa samy hafa ka ny voalohany trano miisa 10 ahitana efitra 2, ny faharoa kosa dia trano miisa 40 ahitana efitra 3. Volam-panjakana madiodio ny 3 miliara ariary  hanaovana ny asa izay iandraiketan’ny Agence Nationale d'appui au logement et à l'Habitat (Analogh). Santatra ihany ny any Alaotra fa mbola hiparitaka manerana ireo faritra rehetra eto Madagasikara ity fananganana trano ho an’ny fonksionera ity, raha ny fanazavana voaray. Notokanana nandritra izao dian’ny filoha tany Alaotra izao ihany koa ny birao fiasana vaovao ho an’ny   Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM) ao Ambatondrazaka, natao indrindra hanamora ny fanarahan-dalàna ho an’ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany izay maro tokoa amin’iny faritra Alaotra iny. Ankoatra izay dia omaly ihany koa no nandray tamin’ny fomba ofisialy ny asany ireo ben’ny tanàna 87 avy amin’ny distrika 5 ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro. Tsy izaho irery intsony no hitantana ny firenentsika fa efa miara-miasa isika izao, hoy i Hery Rajaonarimampianina.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT