Actualités

Trano fonenana eny Ankatso Nifandona indray ny zanak’Atsimo Atsinanana sy ny zanak’i Sofia


  • Alarobia 02 Novambra 2016

Vaky indray ny ady teo amin’ireo mpianatra zanaky ny faritra Atsimo Atsinanana sy ny zanak’i Sofia, samy manovo fahalalana eny amin’ny anjerimanontolo.

Araka ny fantatra dia nitroatra ireo mpianatra zanak’i Sofia satria misy ampahany amin’ny trano fonenan’izy ireo ao amin’ny bloc 41 no tafiditra ao amin’ny tranon’ireo mpianatra avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Raikitra ny fifandonana  ka nisy ny fanalana ireo mpianatra avy amin’ny faritra Atsimo Atsinanana  tamin’ny trano fonenany. Nambaran-dRandriamiarinarivo Abel, filohan’ny CROUA mpitantana ny tranon’ny mpianatra eny Ankatso fa tsy azo ekena ny tranga tahaka izany, indrindra fa ny fanalana ireo mpianatra ara-dalàna amin’ny trano fonenany. Tsy maintsy jerena araka ny tokony ho izy ny zava-misy hoy hatrany izy ary andraisana fandraisana fepetra hentitra. Ho an’ny fikambanan’ireo  mpianatra zanaky ny Faritra Sofia indray dia fantatra fa hametraka fitoriana izy ireo noho izay disadisa izay ihany. Tsiahivina moa fa efa  ela no nisy ny fifandonana teo amin’ireto mpianatra ireto ary efa eny amin’ny Fitsarana ny raharaha.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT