Actualités

Trano fonenan’ny mpianatra Olona miisa 1 812 horoahina


  • Zoma 23 Septambra 2016

Hafotaka ny fanadiovana eny amin’ny tranon’ny mpianatra manoloana ny gaboraraka efa an-taonany maro nisy teny Ankatso sy Ambohipo.

Araka ny fanisana nataon’ny teo anivon'ny ivontoeram-paritra misahana ny fotodrafitrasan'ny anjerimanontolo eto Antananarivo (CROUA) ho an'ny taom-pianarana 2015-2016 dia fantatra fa miisa 1 812 ireo olona horoahina eny amin'ny tranon'ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo. Tsy ara-dalàna avokoa ny fipetrahan'izy ireo ka izay no anton’izao fanadiovana izao. Raha tsiahivina dia efa naneho ny heviny mikasika ity toe-javatra ity ny minisitry ny fampianarana ambony Pr Rasoazananera Marie Monique ny 13 septambra lasa teo ka nilazany fa ny mpianatra dia mandalo fotsiny fa tsy mijanona mandrakizay amin’ny trano. Vita ny fianarana dia tokony hiala amin’ny trano, hoy izy. Efa ela no nisian’ny toe-javatra tsy ara-dalàna eny amin’ny tranon’ny mpianatra ary zava-dehibe ny fandraisan’andraikitra. Tsy ny resaka fotodrafitrasa ihany no misy gaboraraka eny an-toerana fa eo ihany koa ny resaka herinaratra sy rano izay vesatra ho an’ny fanjakana kanefa ahitana fandanilaniam-poana noho izy tsy misy sarany.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT