7,8 tapitrisa ireo olona tsy manana trano fivoahana eto Madagasikara. Lohalaharana amin’izany ireo monina eny amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra.
Ho an’ny etsy Anosibe ao anatin’ny boriborintany fahefatra, ohatra, dia eny amin’ireo tata-drano avokoa no manary maloto ny mponina isa-maraina, tsy tahotra tsy henatra. Tsy latsa-danja amin’izay ireo manan-janaka madinika manabe ireo menaky ny ainy hanao maloto eny amin’ny sisin-dalana ankoatra ireo olon-dehibe efa tena maty fanahy tsy miraharaha fahadiovana intsony. Zava-doza maro anefa no haterak’ireny maloto miparitaka etsy sy eroa ireny. Anisany ny gripa mahery izay misy mandavan-taona vokatry ny fisian’ireo viriosy miparitaka rehefa maina ilay maloto. Ny kohoka….Ankoatra ny eny Anosibe dia anisan’ny faritra maro olona tsy manana trano fivoahana koa ny eny Manarintsoa Isotry. Mihoatra ny 60 % ireo tokantrano tsy manana izany eny an-toerana. Ho an’ireo manana kosa indray dia hitambarana amina tokantrano miisa folo izany raha kely ka tsy ampy am-bolana akory dia feno. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny trano fidiovana. Tanjona ny hahafahan’ny tokantrano Malagasy rehetra misitraka izany ho fiarovana ny fahasalaman’ny mpiara-belona. Mahatratra 2, 4 miliara ireo olona tsy manana trano fivoahana maneran-tany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.