Nanaitra ny mpandalo ny fahitana sorabaventy mirenty manoloana ny “Trano Avo” ao Bazary Kely-Toamasina
. Mandeha ny feo fa namidin’ny Kaominina amin’ny orinasa “Planet Core Trading Ltd”, izay misy teratany karana monina any Dubai izy io ka toherin’ny olona mipetraka ao. Raha ny fanazavan’ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina, Pagni Dinh Van Ricky, dia manana tetikasa hanangana trano misy rihana enina amin’io toerana io ny Kaominina, sady haofa no hamidy toy ny tetikasa “Trano Mora” tamin’ny tetezamita. Nanipika mazava i Pagni Dinh Van Ricky fa tetikasan’ny Kaominin’i Toamasina madiodio io. Nanamafy izany koa ny Talen’ny kabinetran’ny minisitra misahana ny tetikasan’ny filoha, ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana Rtoa Séraphin Mimosa, fa “tsy misy idiran’ny ministera io” fa an’ny Kaominina Toamasina. Raha ny fantatra dia efa naroson’ny Ben’ny tanàna Ratsiraka Elysée hankatoavin’ny Mpanolontsain’ny Kaominina ny herinandro teo io tetikasa io saingy tsy vita, ka haverina hodinihina indray manomboka anio, alatsinainy 10 oktobra 2016.
Ahiana hiteraka ny fifandonana ny fanatanterahana ity tetikasa ity, satria milaza ny tsy hanaiky ireo fianakaviana miisa 38 mipetraka amin’ny tranobe telo eo, noho izy ireo efa nividy ny trano araka ny “vente location” nataon’ny Fanjakana 20 taona lasa izay. Miankina amin’izay ho fanapahan-kevitr’ireo mpanolotsain’ny tanàna anefa ny tohin’ny raharaha.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.