Zazavavikely 10 taona no naolan-draikeliny tany Sakaraha, ny alatsinainy antoandro teo.
Izy nibakabaka fandeha sy ny ra tamin’ny silipo nanaovany no nanaitra ny reniny avy niasa tany an-tsaha. Rehefa nofotorana lalina ity voatavo tsy mifandraka ity dia nivaky ny zava-nihatra taminy ihany na dia noferan’ilay rangahy tsy hiteny amin’iza na amin’iza aza.
Nilaza fa narary rangahy tamin’io andro io ka nijanona tao an-trano. Hay efa tetika maty paika ny azy amin’ny fanolanana an’ilay zana-badiny izay kamboty ray maty voatifitry ny dahalo. Nitsoaka moa ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza rehefa vita ny filan-dratsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.