Ambina solitany avy nandrehetana afo no nosotroin’ilay zaza vao herintaona sy tapany, angamba voasariky ny lokony somary menamena.
Efa voasotron’ilay zaza ny an-tsasany vao tsikaritry ny tao an-trano. Nezahina nampadoavina fa vao maika nalemilemy ilay zaza. Nentina namonjy hopitaly saingy tsy tana ny ain’ilay zaza. Voatazona atao famotorana any amin’ny mpitandro filaminana ny rain’ilay zaza tamin’io fotoana nahafaty ny zanany io, fa notorian’ny mpampiasa azy noho zavatra very tao amin’ny toeram-piasanany. Nitalaho tamin’ny mpitory azy ny fianakaviana mba hamela aza hiatrika ny fanaovam-belona farany ny zanany ny sabotsy 8 oktobra saingy tsy nety ity farany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.