Actualités

Trangam-piainana Tovovavy 14 taona niteraka kambana


  • Zoma 07 Novambra 2014

Zazavavy vao 14 taona monja no niteraka kambana tany Angarazy Morombe tamin’ny herinandro teo.

Tsy azo anefa ireo zaza ireo noho ny fahasarotana teo am-piterahana. Tsy vitan’ny mpitsabo tany an-toerana intsony ny fitsaboana an’ity ankizivavy ity, ka tsy maintsy nentina nitsabo tena ao Toliara mba hanavotana ny ainy. Efa mihatsara ny fahasalamany ary tsy misy ahiana ny aminy ankehitriny, hoy ny mpitsabo mandray an-tanana ny fitsaboana azy. Raha ny nambaran’ity zazavavy ity nitafa taminay omaly, dia voalohan-janany ireto vao naterany namoy ny ainy ireto.

Raha ny ao amin’ny hopitalibe Toliara fotsiny, maherin’ny 20 isam-bolana tovovavy tsy ampy taona miteraka ao, hoy ny tompon’andraikitra. Raha ny tarehimarika ofisialy nandritra ny fanadihadiana nasionaly natao ny taona 2013, dia ny ampahatelon’ny tovovavy latsaky ny 19 taona ao Toliara, dia efa manan-janaka na bevohoka avokoa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT