Renim-pianakaviana iray no maty tampoka tao amin’ny biraon’ny Fokontany Ambatofitatra, Sambava omaly, fankalazana ny Fetin’ny mpifankatia, raha iny nanaovana famotorana momba ny fitarainana izay nataon’ny mpifanolo-bodirindrina taminy.
Raha ny tantara dia nisy ramatoa iray tonga nitaraina tamin’ny Lehiben’ny Fokontany ny sabotsy vao maraina ka niangavy mba handamina ny fiarahamonin’izy ireo fa efa mankaleo, tsy mifampiteny ary tsy mifandray tanana nefa samy mpiara-monina. Nomena fotoana ny alahady 14 febroary izy ireo mba hahafahana mihaino ny an-daniny sy ny an-kilany. Samy tonga ara-potoana, tokony ho tamin’ny 7ora maraina ireto vehivavy nifampitory ireto, ary samy notronin’ny vadin’izy ireo avy.
Dia nanomboka ny fanadihadiana nataon’Atoa Benaody Léon, sefo Fokontany ka hoy izy hoe : « Omena fitenenana voalohany ianao izay mpitory dia rehefa avy eo omena anao izay notoriana ».
Ny voalohany dia nitondra ny alahelony amin’ireo teny an-kolaka ataon’ity Ramatoa ity azy ary nisy fotoana aza dia anaovany fihetsika mihantsy ady ka mba tiako hofantarina eto anatrehan’ny olobe inona ny antony ? Nangataka mba hivoaka kely iray minitra ilay voatory. Rehefa niverina izy dia nangataka fitenenana amin’izay hamaly. Fehezanteny roa ihany no voateniny dia niankohoka teo ambany izy raha avy niteny hoe : « Marina izay voalazanao izay fa ny nataonao ahy koa dia mba misy zavatra tsy tiako, tsy tiako,... » dia izay no teniny farany.
Niaraka tamin’izay dia mbola saika hamely tehamaina azy ny vadiny teo an-kilany nanotrona azy teo satria mbola nihevitra rangahy vadiny fa misary adala ity vadiny. Tandremo hoy ny lehiben’ny Fokontany, aza mikasi-tanana azy fa tsy fantatrao anie ny mahazo azy izao. Nitolefika ary nitsirara tamin’ny tany ilay ramatoa. Niantsoana mpitsabo haingana, izay nipetraka tsy lavitra teo. « Efa maty izy, tsy misy azo atao intsony », hoy ilay mpitsabo.
Namela kamboty folo mianadahy, ka iray taona ny kely indridra ary 20 taona ny zokiny indrindra, ratompokovavy Egyptiene, izay manana fiaviana any Antsahamanarana Antalaha.
Manahy ny amin’izay mety ho valifaty ny mpitory ka lasa nitsoaka avy hatrany sady efa nalaky vory ny Fokonolona. Nantsoina ny avy amin’ny polisim-pirenena nanao fanadihadiana niaraka tamin’ny mpitsabo nanao fitsirihana ny razana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.