Actualités

Tranga hafahafa Zanak’omby tao an-kibon-dreniny nisy nangalatra


  • Zoma 26 Febroary 2016

Nitrangana halatra omby indray tao amin’ny fokontany Bemololo-Andranomanelatra ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Nampiahiahy ny tranga satria tsy mbola fahita ny zava-niseho fa toa misy ambadika maizina ilay izy.

 

         Omby bevohoka ity nisy nangalatra ity ny alina ary ny maraina efa tamin’ny 7 ora vao hitan’ny tompony fa tsy tao ilay omby. Natao ny fanarahan-dia ka tsy lavitra akory ny toerana nangalarana azy fa teo Antsahatanteraka misy ny sahan-dry Mompera no hita ilay fatin’ny omby. Ny nanaitra dia ilay zanany tao an-kibo ihany no nalain’ireo mpangalatra ary ny ilan’ny feny. Tsy nisy azo natao moa fa nozarain’ny tompony tamin’ireo mpanara-dia ny ambin’ny hena. Tombanan’ny olona ho mpilalao ody no nanao an’ity halatra ity. Raha ny resaka mantsy dia izany no ilana ny zanak’omby mbola any am-bohoka. Mahalasa saina.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT