Actualités

Trafikana zaza Tsy nitsikombakomba izany izahay, hoy ny fianakaviana


  • Zoma 15 Martsa 2019

“Niady mivady mihitsy izahay, toa ny adala, maizina ny tany aman-danitra”. Izany no teny voalohany nivoaka ny vavan’ilay renim-piakaviana very zaza.

 

 

 Nipenipenina tanteraka ny fianakavian’ilay zaza very izay navoakan’ny zandary ny talata hariva ny vaovao mikasika izany. Nisy fotoana nifona taminy ny iray tamin’ireo saika hivarotra ny zanany izay nilaza fa noho ny tsy fisiana fa novaliany hoe : “koa raha ny zanakao no amidy”. Mazava izany fa tsy niray tsikombakomba tamin’ny mpangalatra sy ny mpivaro-jaza ny ray aman-drenin’i Lita, araka ny feo mandeha amin’ny tambazotran-tserasera ankehitriny. Mitantara ny fahaverezan’ity zanany ilay reny niteraka an’i Lita : « Nigadona ny trano aho tamin’ny 2ora tolakandro, ny 8 martsa nilaza ilay mpanampy fa tsy hita efa hatramin’ny talohan’ny sakafo atoandro i Lita. Nantsoina hody tety 67ha tamin’izay ny dadany niasa tany analakely. Nojerena daholo tany an-tranon’ny manodidina tany anaty rano fa tsy tazana. Nody fotsiny tamin’ny 11 ora alina fa sady torovan’ny  fitarainana zaza very tamin’ny manam-pahefana. Tsy nahita tory ny alin’iny. Niantso mpanao gazety ny maraina fa halefa haino aman-jery amin’ny “ombay mitady”. Kinanjo nantsoin’ny zandary Ankadilalana fa ilaina eny i ramose, dia nantsoina koa za fa mbola tsy nilaza ny mpitandro filaminana fa efa hita ilay zaza satria mila manamarina izany izy ireo. Samy nangenahena izahay mivady nahatazana ny zananakay.” Toy izay no fitantaran’ny renin’ny Lita tamin’ireo mpanao gazety teny Andavamamba ny fahitany ny zanany. Nolaviny ankitsirano ny filazana fa niray tsikombakomba tamin’ny mpivarotr’olona izy. Baraingo lehibe ny niafaran’ity zaza ity raha tsy hita. Mbola mipetraka koa ny fanontaniana hoe nataon’ireo aiza ilay zaza telo niaraka tamin’ity zaza ity? saingy noho izy ity reraka tanteraka ka nangoraka azy ilay ramatoa nantsoina saika hampanaovina ny “sera” nefa tsy nety nanatanteraka izany fa niantso zandary avy hatrany ary mody nilaza fa io no hovidiany, araka ny vaovao nampitaina tamin’ireo mpanao gazety hatrany.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT