Actualités

Trafikana volamena Tsy mety tratra ireo tena atidoha


  • Alarobia 16 Janoary 2019

Malagasy 3 no tratra nitondra volamena milanja 25,5 kilao tany Maorisy ny 10 janoary lasa teo, saika ho any Mumbai (Inde) ny roa raha toa ka nilaza ny ho any Dubai ny iray.

 

 

 

 

 Nambaran’izy ireo fa hanamboarana firavaka volamena ary avy eo averina aty Madagasikara ihany ireto volamena tratra ireo. Tsy nisy taratasy azo nanaporofoana io fanambaran-dry zareo io. Tsy vao tamin’ity 2019 ity ihany, farafahakeliny dia in-telo isan-taona no misy olona tratra eny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato na amina seranam-piaramanidina hafa any ivelany, izay matetika Maorisy na any Bangkok mamoaka volamena tsy misy taratasy mazava, izany hoe famoahana an-tsokosoko na koa trafika. Ireo olona nitondra ny entana no atao fanadihadiana. Toa mijanona eo anefa ny resaka avy eo fa tsy misy tohiny. Mikatona ny loharanom-baovao ofisialy. Tsy misy rahateo ny fampitam-baovao ataon’ny manampahefana. Ny endrik’ireo volamena tratra no hahafahana mamantatra fa mety toerana iray ihany no mandrendrika azy ireo sy mandrafitra azy ireo ho bolongam-bolamena (Lingot) amin’ny lanjany isan-karazany, mialoha ny hanondranana an-tsokosoko azy ireo. Izany hoe raha tena mandeha ny fanadihadiana lalina, dia tokony ho efa ela no fantatra no ao anatin’io tambajotra io sy ny ny toerana handrendrehana ny volamena mialoha ny hamoahana azy an’i Madagasikara. Ry zareo tatsinanana (Karana, Sinoa, Thailandais…) no matetika voatonontonona ho ao ambadik’ity aferana volamena ity, fa misy ireo Malagasy miray tsikombakomba amin’izy ireo. Misy antony manokana ve tsy mahalasa lavitra ny fanadihadiana ? Sa tena mitombina ny resaka mandeha etsy sy eroa fa hoe : olona ambony na manampahefana mihitsy eto amin’ny tany sy ny fanjakana no ao ambadiky ny trafikana volamena na koa miaro ireo mpanao izany ? Mahazo tapi-maso matevina ? Milaza ny hiady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena i Andry Rajoelina. Mifanandrify indrindra amin’ny nahavoafidy azy ho filoha ity trafikana volamena tratra tatsy Maorisy ny 10 janoary lasa teo ity. Ho hita ve ny tena marina sa ho very an-javony fotsiny indray ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT