Nampiahiahy ny mponina efa leom-boan’anana amin’ny firongatry ny asa ratsy ny fihetsik’izy ireo, hoy ny Ben’ny tanànan’ Andranolava Razafimahaleo Barnabé Justin, ka narahi-maso akaiky,
ary izao tratra izao. Roalahy sahabo ho 25 taona eo avy, saika hivarotra zazalahikely iray 8 taona amin’ny vidiny 300 tapitrisa ariary no voasambotry ny fokonolona sy ny zandary tao an-tanànan’Ankaboka, fokontany Ranotsara, kaominina ambanivohitra Andranolava, any amin’ny distrikan’i Sakaraha, ny alarobia teo. Teo am-pitadiavana mpividy mihitsy izy roalahy ireto no tra-tehaka ka tsy afa-niala intsony. Raha ny fantatra dia avy any amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo iny ireto jiolahy, ary avy any amin’ny faritra Menabe kosa ilay zaza. Tamin’ny famotorana lalina nataon’ny mpitandro ny filaminana dia nivaky ireto mpibizina sy mpangala-jaza ireto, fa saika amidy lafo mba hakana taova ilay zazalahy, izay efa domelina ka tsy tompon’ny tenany intsony. Raha ny nambaran’ireo jiolahy hatrany tamin’ny fanadihadiana nataon’ny zandary azy ireo, dia efa ho efa-bolana eo ity zaza ity no notazonin’izy ireo mba hitadiavana mpividy, ka izany lehiben-dahalo Mahazo izany no voalaza fa lehiben’izy ireo. Karohina fatratra i Mahazo ankehitriny. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana hatrany, ny alahady 12 martsa teo ireo jiolahy no tonga tao an-tanànan’Ankaboka. Tsy honohono ny resaka trafikana taovan’olombelona eto Madagasikara fa tena misy, ka tena ilaina ny fanaovan’ireo tompon’andraikitra isan-tokony fanadihadiana lalina momba ny raharaha tahaka izao fa tsy ny mpanao gazety foana izay mitatitra ny vaovao no lazaina fa mandainga na manely tsaho. Mampiahihy ireo trangana fahaverezana zaza sy tanora amina faritra maro eto amin’ny nosy, ny ratsy rahateo tsy kely lalana ka samy tokony ho mailo ny rehetra fa isan-karazany ny afera maizina eto amin’ity firenena ity.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.