Lehilahy iray, 25 taona, no nosamborin’ny zandary tao Ilakaka omaly. Hitady mpividy taova no voalaza fa nahatongavany tao, fa misy any Ihosy ka itadiavany mpividy.
Nanaovan’ny tao an-toerana vela-pandrika ilay tovolahy, ary nampihaonina tamina olona nambara fa mpanambola hividy ny entana. Raikitra ny varotra. Nasaina niandry tamina trano iray ilay tovolahy, rehefa nilaza haka vola iray tapitrisa ilay mpividy. Tamin’izay ity farany no niantso zandary. Nalaky tonga ireto farany, ary dia noraisim-potsiny ilay tovolahy. Nentina avy hatrany any amin’ny biraon’ny zandary natao famotorana, hikarohana ireo mpiray tendro aminy sy hamantarana ny heloka vitany.
Fa io omaly ihany, tao amin’ny Fokontany Manombo, dia nisy olona nosamborin’ny zandarin’Ilakaka, voalaza fa mitady mpanambola handray taolampaty.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.