Rongony 4.5kg no tratran’ny barrage_routier an’ny mpitandro ny filaminana teo Tombotsoa, Antsirabe ny 17 mey lasa teo tokony ho tamin’ny 04 ora maraina.
Tao anatina taksibrosy iray avy any Ihosy hiazo an’Antananarivo ireo rongony ireo no sarona. Lehilahy iray, manodidina 30 taona avy any Bekily, mpandeha tao anatin’ity taxi-birosy ity ihany no tompon’ilay rongony izay nanambara nandritra ny famotorana natao azy fa efa misy mpandray ireo entana ireo eto Antananarivo. Avy hatrany dia noraofin’ny mpitandro ny filaminana moa ireto rongony ireto, ary nodorany, raha ny vaovao avy amin’ny pôlisim-pirenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.