Ny alahady teo, tany Toliara, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’olona tsara sitrapo nanome vaovao ny mpitandro ny filaminana, dia rongony milanja 300 kg nafatratra tao anaty valizy sy sakaosy miisa enina no tra-tehaky ny polisy, tao Sanfily
Olona roa no voasambotra sy voasaringotra tamin’ity bizina moly avo lenta ity, izay tazonina hanaovana fanadihadiana amin’izao, ka mpamily taksiborosy ny iray, ary nongiazana ihany koa ilay fiara nahatrarana an’ireto rongony ireto. Raha ny fanazavan’ny kaomisera Rufin Lebiria, dia saika halefa taksiborosy ho an’i Morondava ireto zava-mahadomelina ireto, izao sarona izao. Mbola karohina kosa ny tena tompon’ny entana. Nanentana hatrany ny rehetra ity manamboninahitra ambonin’ny polisy ity, mba hanome vaovao tsy tapaka ny mpitandro filaminana hahamora ny fisamborana sy famongorana ireo jiolahy sy mpanao ratsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.