Raikitra fa hatsangana eto amintsika ankehitriny ny “Chaîne speciale” hiandraikitra ny ady amin’ny trafikan’andramena na boaderozy sy ny hazo mainty na “bois d’ébène” ary ny famerana ireo sazy sahaza ny tratra manao izany. Nolanian’ireo depioten’i Madagasikara 31 tsy nisy nitsipaka teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly ny volavolan-dalàna lah.013-2015 tamin’ny 20 mey 2015 namaritra izany. Voalazan’ireo depiote nandray fitenenana fa nafana dia nafana ny adihevitra mikasika ilay volavolan-dalàna tany amin’ny asam-baomieran’ny tontolo iainana notarihan’ny filohany, ny depiote Delphine Florentine. Rehefa naverin’ny minisitry ny fitsarana nitarika ny delegasion’ny minisitera samihafa nohazavaina tamin’ny antsipirihany ny votoatiny dia ny hahazoana manangana rafitra manokana hanisa indray ireo bolabolana andramena sy hazo mainty voasambotry ny fanjakana, ny fanasiana marika azy ireo ary ny fiantsoana “appel d’offre” iraisam-pirenena hivarotana azy ireo, dia samy resy lahatra avokoa ireo depiote fa fametrahana tantara ho an’ny taranaka amam-para izao vita izao. Nametraka fepetra kosa izy ireo ny tena hampiharana an-tsakany sy an-davany an’ilay lalàna. Miandry ny tatitra ny vahoaka Malagasy ary maniry hisitraka ny tambiny ho azo amin’ny famarotana azy ireo sady maniry koa haheno ny anaran’ireo mpanao trafika hivoaka amin’ity raharaha ity. Noferana ho 6 volana raha ela indrindra taorian’ny nandraisana ny antotan-taratasin’ady dia tokony ho efa vita fitsarana ny raharaha. Mahatratra hatrany amin’ny 20 taona asa an-terivozona no miandry izay mpanao trafikana andramena sy hazo mainty tratra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.