Vato tsy misy taratasy ara-dalàna no tra-tehaky ny mpitandro filaminana, araka ny fampitam-baovaon’ny Polisim-pirenena Malagasy.
Ny talata 12 martsa teo no voatazona tao anatin’ny haraton’ny mpitandro filaminana ity harem-pirenena ity. Fiara kamio avy any Bekily hihazo an’Antananarivo no nitondra azy io. Nataon’ireo mpitondra azy tao ambanin’ny plastika vasoka efa tranainy tsy miasa intsony sy “bidon” vaky ity entam-be ity. Nandritra ny barazy fanakanan-dàlana nataon’ny Polisin’Ihosy no nahatratrarana ity trafikana harem-pirenena ity. Taorian’ny zava-mahadomelina maro, ity vato milanja 5.000 kg mahery ity indray izany izao no tra-tehaky ny polisim-pirenena izay miasa eo Ihosy. Araka ny filazan’ireo mpanara-baovao, indrindra ireo mpamily, misy faritra tena tsy mitsitsy mihitsy ary tsy azo anaovana kolikoly ireo mpitandro filaminana. Nilaza mihitsy aza ireo mpanamory fiarakodia fa nampahentitra ireo polisy mpisava làlana ny fiapangana azy ireo ho mpanao kolikoly ka nanajanonana izany teo aloha, ary niverina tamin’ny heriny feno fahamatorana izy ireo amin’izao ka maro amin’ireo mpamily no mitandrina amin’ny lamandy ara-panjakana aloha izay be lavitra noho ny “fanorana” hatrizay. Azo heverina ihany koa fa maro no nanararaotra ny fanajanonana ny mpitandro filaminana tsy hisava taratasy teo aloha teo ka nirohotra tamin’ny trafika isan-karazany.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.