Actualités

Trafikana Boaderôzy Tratra ilay sambo piraty Sinoa


  • Talata 27 Janoary 2015

Nalefa ao Toamasina ka tonga omaly tolakandro tamin’ny 4ora ilay sambo sinoa tratra voalaza fa saika haka boaderôzy tao Maroantsetra ny 20 janoary lasa teo. Mpitandro ny filaminana 10 avy ao Maroantsetra no nanara-dia ny sambo izay nahitana zandary 6 sy ny polisy 4 izy ireo.


“Min Tai Leng” sa “Chan Feng”?

Raha ny zava-nisy omaly nandritra ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra samy hafa dia fandikan-dalàna goavana amin’ny fampiasana taratasy hosoka sy fidirana an-tsokosoko ny fari-dranomasina firenena iray ary fikasana hanao trafikana harem-pirenena no nataon’ity sambo Sinoa ity sy ny ekipazy tao anatiny. Tsy misy na taratasy iray aza milaza ny fahazoany miditra an’i Madagasikara, ny hany taratasy nananan’ity sambo ity dia ny fahazoan-dalana haka trondro eny afovoan-dranomasina manodidina an’i Chine. Anarana samy hafa koa anefa no entin’ity sambo ity, ka hafa ny misoratra amin’ny vatan’ilay sambo antsoina hoe “Min Tai Leng”, hafa koa ny misoratra amin’ny taratasiny “Chan Feng”. Vokatr’izay indrindra no nahatonga ny maro nihevitra fa sambo roa samy hafa ny tao Maroantsetra, ary nahatonga ny fampanoavana tany an-toerana nisalasala tamin’ny fisamborana ity sambo ity tao amin’ny Cap Masoala ny 20 janoary lasa teo.

 

Dia fanindroany

Efa nandalo teto Madagasikara izy ireto ny 09 desambra teo, ka raha nahazo ny entana nilainy dia nanatitra izany tany Alzeria ary izy izao niverina dia tratra izao. Raha ny fanazavan’Atoa Raveloson Nodier eo anivon’ny harena anaty rano ao Toamasina, dia tsy fampiasa amin’ny jono ny sambo ohatra an’ity sambo ity, satria raha voalaza aza fa sambo “frigorifique” izy dia ireo fitoerana trondro (Bac) ao anatiny kosa tsy misy na iray aza. Ho an’ny Maurice Tianjara avy amin’ny APMF dia ny pitsopitson’ireo taratasy mihitsy no olana sy tsy mazava ho an’ity sambo ity, ka mahatonga azy azo apetraka ho sambo piraty sy sambo mpanao trafika iraisam-pirenena. Ho an’ny fampanoavana ny fitsarana ao Toamasina kosa dia voamarina ny fandikan-dalàna nataon’ity sambo ity, ka mila ny fampiharana ny lalàna sy higiazana ny sambo izy ireo ary ny hiazonana ireo tao anatiny miisa 18 izay teratany sinoa ny 14 sy teratany Tailandey – Okrainianina ny efatra. Ankoatra izay, dia tokony hojerena ihany koa ny momba ireo “mpibizina” sy “mpanao trafika” malagasy mahatonga ity sambo ity tonga eto amintsika tratra tao Cap Masoala. Tsy sambany izao. Tao amin’ny fari-dranomasina Maroantsetra – Mananara  Avaratra – ary Sainte Marie mantsy ity sambo ity, nefa ireo feno entana “navela nitsoaka” avokoa, fa ity tsy nahatrarana na hazo iray ity no notazonina sy hanaovana fanadiadiana(?)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT