Actualités

Trafikana boaderôzy sy famotsiam-bola Nidoboka am-ponja i Bekasy sy Sinoa patrô be eny Behoririka


  • Talata 29 Septambra 2015

Sambasamba ! Raharaha iray anisan’ny nanamarika ny andro omaly ny fiakaran’ny dosie Bekasy teny amin’ny “Chaine pénale anti-corruption” 67ha.

 

Olona telo no natolotry ny Bianco an’ity fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly ity omaly, ka teratany Malagasy ny roa dia i Bekasy sy Herizo ary teratany sinoa, Xu Jianey, mpandraharaha tompona tranombarotra lehibe iray eo Behoririka ny fahatelo. Voatondro ho atidoha mpanondrana andramena i Bekasy ary efa natolotra teny 67ha tamin’ny tapatapaky ny volana jolay 2015 saingy navotsotra fa hoe tsy feno ny fanadihadiana. Niverina indray ny raharaha ary natolotra omaly izy telo lahy ireo. Vesatra anenjehana azy ireo ny resaka kolikoly, fitaterana sy fanondranana an-tsokosoko andramena ary koa famotsiam-bola. Naharitraritra ny fihainoana azy ireo teny 67ha. Nivoaka ny didy savaranonando mampiditra am-ponja azy ireo. Omaly hariva ihany dia nalefa eny Antanimora izy telo lahy ireo.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT