Tsy azo lavina ny ezaky ny fanjakana amin’ny famongorana ny tsimatimanota. Ny fanondranana boaderozy no aseho amin’izao fa tsy misy ny fandeferana.
Niainga tamin’ny fandikan-dalàna fototra ny Birao mahaleotena momba ny kolikoly na ny Bianco. Anisan’ireny ny fanondranana an-tsokosoko, kolikoly, fanapahana hazo sarobidy sy fitaterana izany ka nahafahan’ny fitsarana manokana miady amin’ny fanondranana andramena nandray fanapahan-kevitra hampiditra am-ponja vonjimaika ireo voarohirohy. Tsy maintsy nisy ny vola niasa ary nisy ny mpampiasa vola ambadika ahazoana tombony mihoapampana anefa tao anatin’ireny, ka hojerena amin’ny antsipirihany tokoa ve ? Tsara raha tsy hatao tompon-trano mihono mikasika ny tena marina ao ambadik’ireny ny vahoaka Malagasy ka tsy takontakonana amin’ny fanagadrana olona iray sy roa dia tapitra hatreo, hoy ny resaky ny olona etsy sy eroa izay maharaka tsara ny raharaha hazo sarobidy. Tsy tokony ho efa nisy fanadihadiana ve mahakasika ny loharanom-bola sy ny lalam-bola rehetra nentina nanao ny fanondranana ireny ? Fa tokony ho fantatry ny rehetra miharihary ihany koa ny fomba nanadiovana izany sy ireo olona tena nisitraka ny tombontsoa azo tamin’ny alalan’ny fandripahana ny harem-pirenena. Aiza ho aiza ny SAMIFIN izay sampandraharaha afaka misahana ny ady amin’ny famotsiam-bola ? Ny taona 2014 dia efa nisy ny taratasy misy ny anaran’ireo mpandraharaha atao hoe matretre sy tena goavana amin’ny resaka boaderozy; natolotry ny praiminisitra tamin’izany fotoana Atoa Omer Beriziky ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Efa nisy fotoana niparitaka ireo anarana ireo. Ho sahy hanokatra fanadihadiana lalina ary ve ny fitondrana tarihan-dRajoelina ka tena hisambotra sy haka am-bavany ireo olona voatonontonona amin’ny trafikana boaderozy ireo ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.