Hiverina eny amin’ny Fitsarana indray ny raharaha Bekasy. Anarana mifamatotra amin’ny trafika andremana ny Bekasy. Efa nosamborin’ny Bianco nanaovana fanadihadiana izy sy ny namany telo lahy saingy navotsotry ny “Chaine pénale anti-corruption”
rehefa natolotra ity farany tamin’ny volana jolay, nialoha kely ny fiatombohan’ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna. Nambara tamin’izany fa tokony ho nampidirina tamin’ity raharaha ity, anaovana fanadihadiana ny minisiteran’ny tontolo iainana. Naverina tany amin’ny Bianco ny raharaha. Roa volana aty aoriana, hiverina eny amin’ny “Chaine pénale anti-corruption” indray ny raharaha. Raha ny tetiandro dia efa tamin’ny alakamisy lasa iny no natolotra ity fitsarana manokana ity ny dosie, saingy nahemotra ho anio alatsinainy 28 septambra indray. Teratany Malagasy roa sy Sinoa iray no voasaringotra eto, ary dia ho hita eo na hiroso ity fanadihadiana ity na hihemotra indray.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.