Actualités

Trafikana boaderôzy Kolonely roa voarohirohy


  • Talata 08 Martsa 2016

Milaza ny tsy hihemotra amin’ny fanenjehana ireo mpanao trafikana boaderôzy na andramena ny praiminisitra Jean Ravelonarivo

 

. Tsy mahita ambara firy manoloana ny olana ara-tsosialin’ny vahoaka, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana ary ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa ny tenany. Io resaka andramena io hatrany indray izao no vontoatin’ny kabariny tato ho ato ary ny mahagaga ny maro dia ireo andramena sarona tany Singapour hatrany no ambentin-teniny. Nahoana kosa no tsy asiany resaka mihitsy ireo andramena tratra tany Toliara, Mozambika, indrindra fa ilay sambo iray lehibe tratra tany Hong-Kong farany teo ?

Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Vola sy Tetibola sy ny Ladoany ary ny masoivoho  Amerikanina no nahatrarana ity sambo be iray tany Hong-Kong ity, araka ny vaovao azon’ny mpanao gazety. Naraha-maso tamin’irony satelita irony ilay sambo ka iny izy hitsofoka ny sisin-dranomasina Hong-Kong iny indrindra no sarona. Misy manamboninahitra kolonely roa izany voarohirohy tamin’ity fanondranana andramena ity ary voalaza fa manana andraikitra ambonimbony any anivona andrim-panjakana iray eto amin’ny firenena. Tsy manisy resaka momba izany mihitsy anefa ny lehiben’ny governemanta Jean Ravelonarivo.

Mody fanina ?

Mipetraka ihany koa anefa ny fanontaniana mikasika ireo andramena tratra tatsy Singapour. Nisy minisitra iray nandefa taratasy tany amin’ny manampahefana tany Hong-Kong izay nilaza fa ara-dalàna ilay fanondranana. Efa tamin’ny andron’ny praiminisitra Kolo Roger (volana janoary 2015) no nitrangan’izy io. Taty aoriana, nanome baiko ny praiminisitra Jean Ravelonarivo sy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny ala ary ny ekôlôjia, Beboarimisa, ny filoha Hery Rajaonarimampianina mba hihazo an’i Singapour hisakana ilay taratasy nalefan’ilay minisitra. Izany hoe, mahafantatra ny anaran’ilay minisitra nandefa ilay taratasy ny praiminisitra Jean Ravelonarivo koa nahoana no tsy nandray fepetra hatramin’izao nanala io minisitra io tamin’ny toerany sy nitondra ny raharaha teny anivon’ny manampahefana voakasik’izany ?  Tsy mazava amin’ny mpanara-baovao mihitsy ny tian’ny praiminisitra atao manodidina ity hoe fanenjehana ireo mpanondrana andramena an-tsokosoko ity.

Ny re dia mbola seriny, miketrika paikady hifikirana amin’ny toerany ny praiminisitra Jean Ravelonarivo, ka mikendry ny hampanao « vote de confiance » ao amin'ny Antenimieram-pirenena amin’ny fivoriana tsy ara-potoana ho avy eo. Asa indray izay ho fihetsiky ny solombavambahoaka raha tonga izany, manoloana ny tsy fahombiazan’ny governemanta Ravelonarivo, saika amin’ny sehatra rehetra mihitsy. Tsy fahaiza-mitantana, tsy fanajana ny zon’olombelona, tsy fisian’ny tontolo manintona ny mpandraharaha, tsy fisian’ny famatsiam-bola ivelany mazava.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT