Actualités

Trafikana boaderôzy Hosamborina amin’izay ireo atidoha


  • Alarobia 10 Febroary 2016

Bolabolana andramena 27 725 no efa voaiisa sy voamarika, araka ny fanambaran’ny minisitry ny tontolo iainana, Beboarimisa Ralava omaly.

 

 Ireo bolabola nogiazan’ny fanjakana niampy ny tahirin’ireo mpandraharaha ihany anefa ireo fa tsy maintsy karohana sy isaina ihany koa ireo boaderozy nafenina any anaty ala, anaty fasika sy anaty rano. Vita izany asa rehetra izany vao afaka mamoaka tolo-bidy iraisam-pirenena mba hivarotana ireo boaderôzy rehetra ireo i Madagasikara. Izay no fepetra napetraky ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny CITES (fifanarahana iraisam-pirenena momba ny famarotana biby na zavamaniry tandindomin-doza) ary tsy maintsy hajaintsika sy hotratrarintsika mialoha ny 25 jolay 2016, hoy ny minisitry ny tontolo iainana mialoha ny hamarotana ireo bolabola ireo. Hentitra ny baiko avy amin’ny filoham-pirenena, hoy ity minisitra ity fa tsy maintsy misy ny vokatra azo tsapain-tanana momba ny ady amin’ny trafikana boaderôzy eto Madagasikara, ary na iza na iza tratra sy tafiditra amin’io raharaha io dia ampiharina aminy ny lalàna. Efa neken’ny parlemanta rahateo ny fananganana ilay fitsarana manokana koa dia miandry ny fitohizan’ny asa isika izao, hoy izy. Ankoatr’io moa dia mbola eo ihany koa ilay komity ivondronana minisitera 10 hiadiana amin’ny trafikana hazo sarobidy ka tsy hita indray izay mbola antony tsy hirosoan’ny fanadihadiana lalina sy ny fitsarana. Efa fantatra ireo lohandohan’ny mpisorona amin’ity afera maizina ity eto amintsika. Efa natolotry ny praiminisitra teo aloha Omer Beriziky ny filoha Rajaonarimampianina ilay lisitra feno anarana ka miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ny rehetra. Nilaza ho tsy naharay sy tsy nahita io taratasy io moa ny minisitry ny tontolo iainana Beboarimisa Ralava. Ry zareo Amerikanina kosa izay nilaza fa vonona hanampy an’i Madagasikara dia mbola namerina indray fa ilaina ny fandraisan’andraikitra mivantana sy ny fampiharana ny lalàna amin’ity ady amin’ny trafikana andramena ity. Mahagaga ihany mantsy fa misy ny olona voasambotra kanefa avy eo dia navotsotra indray, hoy ny Amerikanina. Nihaona tamin’ny minisitry ny tontolo iainana moa omaly ny masoivoho Amerikanina eto amintsika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT