Actualités

Trafikana boaderozin’ny Sambo Flying Mody adala ny fanjakana Rajoelina


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Notsaraina tao amin’ny Fitsarana Tampony tao Toamasina ny 28 aogositra teo ny raharaha sambo Flying, nahiana tamin’ny raharaha trafikana andramena ka tratra taty amin’ny fari-dranomason’i Madagaikara.

 

 

 

 Raha ny tantara, tamin'ny tapaky ny volana oktobra 2018, teo antenantenan'ny fifidianana filoham-pirenena, ny sambo Flying, no nahitana tamin’ny zana-bolana io sambo io, tany amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan'ny Nosy, izay namono ny fifandraisana rehetra amin’ny satelita mba tsy ahitan’ny radara azy. Niparitaka ny resaka boaderozy. Niditra an-tsehatra nanafika io sambo io ny tafika an-dranomasina mpiaro ny sisin-tany Malagasy. Tatsambo 17 no sarona tao, ka sinoa ny ankamaroany. Nandositra nandritra ny fitsaboan-tena tao amin’ny hopitaly ny roa. Nosavaina ny sambo ka nambara fa tsy nisy soritsoritra boaderozy. Na dia izany aza, dia nisy lakaly sasany nihidy sy misy sôdira tsy nahafahana niditra tao, ary tsy nahazo fahazoan-dalana hamaky izany ireo mpanao ankety.   Tamin'ny volana martsa, tantsambo 15 nohelohina higadra 5 taona an-tranomaizina noho ny fitsoahana sy fidirana an-tsokosoko tamin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Nodiana adala kosa ilay resaka andramena. "Tena tsy mbola nanao fanadihadiana lavitra momba an'io tranga io izahay satria fantatry ny rehetra fa teo aloha dia antsoina hoe Ming Feng ity sambo ity ary efa sarona taty amin’ny ranomasina malagasy izy ireo noho ny trafikana andramena, hoy ny filohan’ny Alliance Voahary Gasy Ndranto Razakamanarina tao amin’ny fampahalalam-baovaon’ny RFI. Afaka nitsoaka anefa ilay sambo, saingy misy ny porofo. Efa nanomboka tamin'ny 2016 io resaka io fa tsy noresahina. Atoa Clovis Razafimalala, fantatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana fa ny fikambanany dia nanolo-kevitra tamin’ny fanjakana hikaroka sy hanakarama mpisolovava hiaro azy, saingy tsy nisy setriny. Ny 28 aogositra teo nandritra ny fitsarana, dia tsy nisy olona nisolotena ny fanjakana, ka ilay fitsarana tsy nisy mpisolovava ny fanjakana tokony ho mpitory dia naman’ny tsy fitsarana. Andrasana ny didim-pitsarana amin’ny 18 septambra. Tsy manana fahatokisana sy fanantenana ny mpiaro ny tontolo iainana eo amin’izay ho valin’ny fitsarana ary naman’ny zava-poana sy notsinontsinoavina ny ezaky ny mpiaro ny sisin-dranomasina Malagasy. Mandiso fanantenana sy mampiahiahy ny fihetsiky ny mpitondra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT