Ravan’ny polisy tao Morondava ny tambajotrana mpanamboatra sy mpamatsy basy vita gasy ny andian-jiolahy nandravarava tao an-drenivohitry ny Faritra Menabe sy ireo Kaominina manodidina.
Enina no tafiditra mivantana amin’ity raharaha ity, ary hita ny toerana sy fitaovana fanamboaran’izy ireo ny basy, izay ao Morondava tampon-tanàna ihany. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana dia basy niisa folo no efa lafon’izy ireo hatramin’ny taona 2015, ka iray hetsy Ariary no andafosana ny iray amin’izany. Natolotra ny fampanoavana omaly tao Morondava izy enina ireto, ary nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana. Tafiditra amin’ireo fikambanan-jiolahy mitam-basy tompon’antoka tamin’ireo fanafihana nisesy tao Morondava sy ny manodidina izy ireo. 24 no efa vosambotra hatramin’ny zoma 12 febroary no ho mankaty, ka vehivavy ny 3 amin’izy ireo. Mbola anaty famotorana izy ireo, ankoatra azy 6 voarohirohy amin’ny fanamboarana basy vita gasy ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.