Natolotra ny fitsarana tao Toliara omaly ireo olona fito mianadahy voarohirohy tamina trafikana basy miisa dimy tratran’ny polisy ny sabotsy lasa teo.
Taorian’ny fanomezam-baovao avy tamin’olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny polisy fa misy ramatoabe iray mivarotra basy ao Toliara. Rehefa natao ny fitsongoana dia azy, dia nisy olona iray avy any Ihosy tratran’ny polisy vao avy nividy basy tao aminy, ary nentina tamin’ny posy ny fitaovam-piadiana.
Rehefa nosavaina ny tranon’ilay ramatoabe dia mbola nahatrarana basy telo, ary nilaza izy fa ny roa efa namidiny. Ny iray tamin’olon-tsotra any amin’ny Fokontany Manombike Antanimieva, Distrikan’i Morombe. Ny faharoa vao tratra tao anaty posy io. “Misy taratasy avokoa ireo basy tratra, saingy tsy manana fahazoan-dalana mitazona sy mivarotra izany izy, ary ny mahagaga dia misy amin’ireo basy no misoratra amin’ny anaran’ny zanany izay mbola mpianatra”, hoy ny kaomisera Marinjaha Vavintafika Vololonandro nandray an-tanana ny famotorana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.