“Tolerance zero” na koa hoe tsy hananana antra ny resaka trafikana andramena sy harena voajanahary hafa eto Madagasikara.
Io no hafatra nomen’ny minisitry ny tontolo iainana vaovao, Alexandre Georget, omaly nandritry ny fandraisam-pitenenany tetsy amin’ny minisitera izay sahaniny etsy Antsahavola. Tontosa omaly moa ny fifamindram-pahefany tamin’ny minisitra teo aloha, Venance Randriatefiarison. Mbola be ny asa miandry ny minisitra vaovao, hoy ity farany, satria ny minisiteran’ny tontolo iainana no ahitana ny tsinin’ny gasy rehetra. Raha tsy mivarotra sokatra isika dia manao “bois de rose.”, hoy ny vazivazy zaritenany ka dia mankahery anao amin’ny adidy mavesatra iantsorohanao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.