« Atao tantely afa-drakotra ny andramena na boaderozy any aminay ka hanao hazalambo ireo mpanondrana sy mpanao trafika izany izahay solombavambahoaka. Raha tsy mandray andraikitra haingana ny fanjakana dia hanao
« enquête parlementaire » izahay mba hisian’ny tany tan-dalàna », hoy ny depiote Mananara avaratra, Raharinirina Sidonie, nahitsy fiteny toa nanao ampamoaka nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly antoandro, tao amin’ny efitrano fiasan’ny filoha lefitry ny Anterimieram-pirenena ho an’ny faritanin’i Toliara. Nambarany omaly io, fa « bolabolan’Andramena 3 000 isa raha kely indrindra no efa naondrana tany Mananara Avaratra tao anatin’ny herinandro, nanomboka ny 2 janoary no ho mankaty, nefa ny tompon’andraikitra any an-toerana mahafantatra kanefa tsy afa-mihetsika ary misy olom-panjakana sasany miray tendro amin’ireo mafia »
Sambo lehibe mihantsona
Taomina amin’ny sambokely ny andramena ary efa misy sambo lehibe mihantsona eny afovoan-dranomasin’i Tanambe, 50 km atsimon’i Mananara Avaratra. Amin’io toerana io no tena mirongatra ny fanondranana. Mihena toy ny fen’antitra saika isan’andro ireo tahirin’ andramena misy ary lasibatra ireo « depot » folo misy any an-toerana fantatra ny tompony ahitana bolabolan’Andramena 6.000 isa avy raha kely indrindra.
Mila coup d’arrêt koa !
Nanotrona izao valandresaka izao omaly ny ny depioten’i Manandriana, Andrianjanahary Fanomezantsoa sy ny depiote J.B, Toliara II sady VP Faritany Fianarantsoa. Nanaratsy endrika an’i Madagasikara tato ho ato ity trafikana andramena ity ary tsy mbola nisy ireo mpibizina “bois de rose” nigadra, hoy hatrany ramatoa depiote. Ny vahoaka anefa amin’izao mifafa ny kihony. Mila “coup d’arrêt” koa mba ho tonga saina toy ireo malaso tany Atsimo miakatra ville amin’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.