Nijery ifotony mikasika ity trafika na nikela tratra tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny talata tokony ho tamin’ny 08ora alina ity, ny ladoany, ny Mictsl nidirany, ny tetikasa Ambatovy sy ireo mpitandro ny filaminana samy hafa voaantso hisahana ny fanadihadiana ny raharaha ; tao anaty kaontenera CXDU 161523/2 – TRHU 302753/4 – TGHU 072680/8.
Tamin’izay no nampiaiky ny rehetra fa an’Ambatovy ireto nikela ary halatra natao no nivoahany saingy mbola hisy ny fanadihadiana lalina hatao.« Manimba ny lazan’ny tsenan’ny nikela malagasy izao trafika izao izay mety hisy fiantraikany koa amin’ny fidiram-bolam-panjakana malagasy ihany koa ». Izay no nambaran’Ambatovy tamin’ny alalan’Atoa Randrianarivelo Lalaina talen’ny seraseran’ny orisana. Ny fanazavan’izy ireo ihany koa nahalalana fa mety ireo nikela 5 kaontenera nisy nanova vatokely ny 4 tamin’izy ireo nalefa tany azia ihany ireto. Midika izao fa misy kaontenera iray tsy mbola hita any ho any. Vinavina avokoa izany hatreto. Tsy manondrana nikela amina gony tsotra Ambatovy, gony be mahazaka 2 taonina sy barika milanja 250 kg ihany no fanondrany satria izay no fenitra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena atao any Londres. Ity tratra kosa anaty gony tsotra ary saika naondrana tany Pays Bas, araka ny taratasy mikasika azy. Raha ireo tratra roa ireo izany, dia very vola 06 miliara ariary ny orinasa Ambatovy. Ny vaovao voaray farany koa no nahafantarana fa vao nanondrana tsy ela izay kaontenera miisa 31 na nikela koa Ambatovy, eo am-piandrasana izay mety “tsy fetezana” hitarainan’ireo mpanjifany izy ireo izao, taorian’ilay vatokely 4 kaontenera tratra tany Azia sy ity trafika vaovao ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.