Actualités

Trafika boaderozy Hosazian’ny CITES ny Fanjakana


  • Alatsinainy 25 Aprily 2016

Efa nifanakalo fomba fijery mikasika ny governemanta vaovao ireo masoivohon’ireo firenena vaventy miasa sy monina vitsivitsy eto Madagasikara.

 

 Fotoana izay namariparitan’izy ireo ny mety ho fivoaran’ny fiaraha-miasa ara-politika sy toekarena amin’ny firenena Malagasy. Hentitra i Etazonia mikasika ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ireo boaderozy. Nahakivy tanteraka ny ambasadaoro amerikanina moa ny momba ny raharaha «Bekasy» sy ireo «andramena an-tsokosoko tratra tany Singapour». Hanasazy ny fanjakana Malagasy rahateo ny Citès aorian’ny fivoriana amin’ny volana jolay, araka ny tsiliantsofina heno. Fanapahan-kevitra izay tsy maintsy hisy akony amin’ny fifandraisantsika amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena. Nanamafy sy nanasongadina io ady amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna harem-pirenena io rahateo ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier tamin’ny lahateny voalohany nataony. Tsy naharesy lahatra loatra anefa hatramin’izao ny fomba fiasan’ingahy minisitry ny Atitany voatendry ho lehiben’ny governemanta. Manahy ny fitohizan’ny fampanantenana poakaty nandritra ny fitondrana Rajaonarimampianina hatrizay hatreto ireo mpanara-baovao.

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT