Actualités

Traboina teny Anosibe Nampiasa herinanatra tsy ara-dalŕna


  • Zoma 26 Mey 2017

Nitondra fanampiana voatsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina vokatry ny hain-trano teny Anosibe niseho ny alahady teo ny fiadidiana ny tanŕnan’Antananarivo notarihan’ny delegen’ny boriborintany faha-4 Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel omaly.

 

 Nozaraina tamin’izany ny bodofotsy 100, savony 3 baoritra, vary 10 gony, sur’eau ary fanafody fiarovana  amin’ny aretim-pivalalana ho an’ny zaza. Tsy eto an-toerana moa ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana saingy akaikin’ireo niharam-boina kosa ny fony, araka ny teny fampaherezana nataon’ny solontenan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ireo olona 115 tsy manan-kialofana avy amin’ireo tokantrano 30. Nafindra ao amin’ireo trano lay miisa 4 nomen’ny Bngrc ao amin’ny tokotany malalaky ny fokontany kosa izy ireo ahafahan’ireo mpianatra ao amin’ny Epp manohy lakilasy. Fantatra fa ny fampiasana herinaratra tsy ara-dalàna no nahatonga ny loza, araka ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny boriborintany.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT