Notaterin’ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra, Sarah Zoé, tamin’ireo mpanao gazety tonga tetsy amin’ny lapan’ny tanàna etsy Analakely tamin’ny fomba ofisialy omaly ireo votoatin’ny dian’ny ben’ny tanànan’Antananarivo,
Lalao Ravalomanana, tany ampitan-dranomasina farany teo. Lafin-javatra 2 lehibe no anton-dian’ny ben’ny tanàna sy ireo delegasioniny nandritry ny herinandro, dia ny fanavaozana ny fiaraha-miasa amin’ny region îles de France sy ny kaominina izay efa 25 taona izao sy ny fiaraha-miasa amin-dry zareo Ivoarianina amin’ny ady atao amin’ny aretina Sida sy ny fiahiana ny reny sy ny zaza. Fantatra ary fa hanome tanana an’Antananarivo ny Region îles de France (RIF) amin’ny fananganana trano manara-penitra ho an’ireo faritra eto Antananarivo izay saika traboina isan-taona mba hitoeran’izy ireo amin’ny toerana maina sy voaaro ho vahaolana maharitra ialana amin’ny fahasahiranany. Hohamafisina ihany koa ireo fotodrafitrasa efa mizotra, toy ny fandaminana ny tanàna sy fanamboarana saha maitso. Nanazava ny avy eo anivon’ny kaominina fa vonjimaika ihany aloha ny fanamboaran-dalana mandra-pahatapitry ny fahavaratra any amin’ireo toerana heverina fa tena misy fikatsoam-pifamoivoizana fa efa eo am-pamolavolana kosa ny tena fanarenana ireny lalana simba ireny ny kaominina ary efa miezaka mandrindra ny fifamoivoizana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.