Tsy maintsy miala ao anaty trano lay mialoha ny faran’ny volana ho avy izao ireo traboina vokatry ny hain-trano etsy Ampefiloha Ambodirano, raha araka ny fanadihadiana natao.
Na dia ny hanin-ko hanina aza anefa tsy mahita izy ireo satria lasa lavenona tao anatin’ny segondra iray monja ny fananana nohariana tao anatin’ny 30 taona. Hatramin’izao anefa araka ny fanazavan-dRazoelinirina Marie Monique, solontenan’ireo traboina dia tsy mbola hita mivaingana izay tena fanampiana nentin’ny fanjakana, indrindra fa ny amin’ny fanarenana ireo trano 56 tafo lasibatra. Tsy maintsy hampitombo isa ireo mpatory an-dalana ihany izahay, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity raha tsy misy fepetra raisin’ny fitondram-panjakana. Eo an-danin’izay anefa dia efa manomboka tena mangatsiaka ny toetr’andro eto an-drenivohitra, vanim-potoana tena mahabetsaka ireo mpatory an-dalana mamoy ny ainy tokoa. Mahatratra dimy isan’andro izy ireo raha kely raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny BMH koa andrasana izay mety ho vahaolana maharitra avy amin’ny fitondram-panjakana ho azy ireo. Tsiahivina moa fa ny alin’ny 28 martsa lasa teo no nitrangan’ity hain-trano ity vokatry ny cous circuit avy amina tokantrano iray mpamahana batterie.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.