An’aliny ireo olona nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Enawo teto amintsika, indrindra tany amin’ny Faritra. Betsaka ihany koa ireo fotodrafitrasa simba, antony nanosika ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar hanohana azy ireny.
Tonga nitsidika ny Faritra SAVA izy ireo ny faran’ny herinandro teo niaraka tamin’ny sekretera jeneralin’ny faritra Sabotsy Samuel. Tao amin’ny tanànan’Antanandava no notsidihiny tamin’izany dia misy ny kaominina Farahalana, faritra izay anisan’ny tena lasibatra tokoa. Nisy ny fanampiana natolotry ny Airtel azy ireo nahitana fotsimbary, siramamy, menaka, labozia, sceau…Izany no natao moa dia entin’ity orinasa iray ity fa miray hina amin’ny Malagasy rehetra izy ireo ary mijery ny maha olona ihany koa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.