Loza sy fahoriana tsy misy ohatran’izany no nahazo an’ity fianakaviana iray monina ao amin’ny fokontanin’Ambohintsoa tampon-tanànan’Ambalavao Tsienimparihy
, ny sabotsy teo, fa tovovavy miisa telo mpiray tampo avy nanasa lamba ka nandro tao amin’io renirano io, 5 km atsinanan’Ambalavao, no indray maty an-drano, raha avotra soa aman-tsara tsy maintsy naiditra hopitaly ny fahefatra tamin’izy ireo. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana ary mahazendana ny rehetra ka mbola mipetraka ho mistery hatramin’izao, dia herintaona katroka toy izao ihany koa no nahafatesan’ny zazavavy kely telo, nilalao rano sy nilomano teo amin’io renirano io, ary nisy iray koa avotra soa aman-tsara rehefa nahazo fitsaboana teny amin’ny hopitaly, nefa ilay rano tsy lalina ary mahazatra ny mponina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.