Efa misy ny olona ahiana ho namono nahafaty ilay tovovavy teratany Malagasy vao 19 taona monja tany Paris ny alakamisy maraina lasa teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika io olona io
Fantatra izao ny anaran’ity tovovavy ity fa dia i Kwan Teau Brenda, zanak’Atoa Kwan Teau sy Rtoa Razoeliarisoa Ravaka Liliane.Voalaza ihany koa fa hiresaka mivantana amin’ny tompon’andraikitra sy manampahefana Frantsay manadihady ity raharaha ity ny solontenan’ny masoivohon’i Madagasikara any Paris anio mba hahafatarana misimisy kokoa ilay raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.