Actualités

Tovovavy 3 tsy ampy taona nanaraka lehilahy Tsy hita popoka nandritra ny 4 andro


  • Alatsinainy 17 Novambra 2014

Matetika amin’ny tranga fanodinkodinana sy fiarahana amin’ny zaza tsy ampy taona ao Toliara ao, dia vitavita ho azy amin’ny fandoavam-bola sy raharam-pihavanana ny raharaha, ka hanairana ny sain’ny tompon’andraikitra mba handray andraikitra amin’izay amin’ny fampiharana ny lalàna velona misy, na dia eo aza ny fomban-tany. Fa raha izao no mitohy dia potika tanteraka ny zazavavy, lasa kely veta sy entam-barotra hivelomana.

Mpianatra mivaro-tena

 

Ankizivavy tsy ampy taona telo (12, 14 ary 15 taona) izay mbola mianatra no nanjavona tsy hita popoka ary tsy nody tany an-tranon’ny ray aman-dreniny avy, nandritra ny efatra andro sy telo alina, fa nanaraka lehilahy tany Anantsony kaominina Saint-Augustin, distrikan’i Toliara II, ny herinandro iny. Rehefa vita ny sitrapon’ireto voatavo efa mifandraka ireto dia niverina nody izy ireo. Tsy nanaiky mora anefa ny ray aman-dreniny fa nitory an’ireto tovolahy nitondra ny zanany.

 

Nitory ny ray aman-dreniny

 

Raikitra ny sakoroka nandritra ny kabary « ambany Kily » tao Sanfily Toliara, ny faran’ny herinandro teo. Ny nahagaga ny rehetra nanatrika dia ny nilazan’ireto ankizivavy tsy ampy taona tsy voafehin’ny ray aman-dreniny ireto intsony, fa « raha gadrainareo izy telolahy sipanay ireto dia higadra hanaraka azy any izahay, satria tianay ireo ». Nangasihasy ireo ray aman-dreny menatra olona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT