Tsy mbola eo am-pelatanan’ny fianakaviany hatry ny omaly hariva ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy voatifitra tao amina toeram-pitrandrahana vato sarobidy tany avaratr’Anjozorobe ny alatsinainy lasa teo, araka ny angom-baovao azo.
Nikasa ny haka ny razana ny fianakaviana saingy tsy navelan’ireo miaramila niditra ny toerana misy azy, tsy fantatra ny antony. Velon-taraina ireto fianakaviana ireto ary re fa hisy ny fivorian’ny Antandroy handinihana ny tokony hatao satria zanak’Androy ity tovolahy ity. Ahiana hivadika zavatra hafa ny raharaha raha tsy ahitam-bahaolana haingana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.