Actualités

Tovolahy niresaka tamin’ny sipany Notsindronim-badiny ny antsy


  • Zoma 16 Janoary 2015

Mpivady tanora mbola erotrerony vao vita mariazy tapa-bolana lasa izay no niady nigagan’olona tsy nahalala

menatra intsony omaly antoandro tetsy Andavamamba. Tsy nijanona ho fifamaliana am-bava intsony ny resaka fa niafara tamin’ny fikasihan-tanana. Tsy nahatsindry fo vokatry ny hasarotam-piaro tafahoatra ramatoa ka nanindrona antsy am-badiny. Teo amin’ny ilan-kibony an-kavia no nisolifatra ilay zava-maranitra ka nijininika ny ra.

 

Noterena hivady

 

Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso nandritra ny angom-baovao teny an-toerana, dia teo ampiresahana an-telefaonina (niresaka amin’ny sipany, hono) rangahy no noleram-badiny ny antsy. Matetika miady ireto mpivady tanora noterena hivady ireto, hoy hatrany ny vaovao voaray. Mbola nianatra mantsy ity tovovavy 17 taona ity no bevohoka dia tsy maintsy natao ny raharaha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT