Heno any amin’ny toeram-pitrandrahana vato any Befisoitsy Fokontany Soatanimbary, Kaominina Tanamarina Bekisopa,
Distrika Ikalamavony ny rahalahin’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina. Tamin’ny alarobia izy no nidina tany an-toerana niaraka tamina mpitandro ny filaminana, rehefa nandalo tao Fianarantsoa.
Malaza amin’ny vato « tourmaline » ity toeram-pitrandrahana any Befitsoitsy Soatanimbary ity, izay toerana lavitra tokoa, any amin’ny 25km miala ny renivohitry ny Kaominina Tanamarina Bekisopa. Mifanila amin’ny Distrikan’i Beroroha ao andrefana atsimo, Distrikan’Ihosy ao atsimo, ao atsinanana ny renivohitry ny Kaominina Tanamarina Bekisopa, ary ny Kaominina Fitampito ao avaratra.
Sivy taona lasa izay no nahitana azy. In-droa niova tompo ny kariera tao anatin’izay fe-potoana. Nisy nanan-karena tampoka tamin’ny vato niakatra tao. Tsy mba nisitraka izany kosa ny tanàna sy ny Kaominina tompon'ny harena fa maizina ampototry ny jiro. Tsy misy lalana any, ny sekoly zara fa misy, CSB II zara fa toeram-pitsaboana, tsy misy jiro manazava.
Ankehitriny dia miverina mahazo vahana indray ity karieran'i Befitsiotsy any Tanamarina Bekisopa ity, amin’izao fivezivezen’ny fianakavian’ny filoha any an-toerana izao. Tsy hidina any amin’ny toerana dezaka be any fotsiny amin’izao izy fa ao raha.
Izahay tsy mandrara, hoy ny mponina any an-toerana fa nametraka fepetra fa raha hotohizana ny fitandrahana dia aleo hatao ny lamina mba hampandrosoanay ny Kaominina Tanamarina Bekisopa izay mba tokony ho anjarany dia amin’izay samy mahazo fa tsy hampiasana hery tahaka ny tany Anjozorobe. Re fa hiverina any Befisoitsy Fokontany Soatanimbary, Kaominina Tanamarina Bekisopa ireto fianakavian’ny filoha ireto aorian’ny paska.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.