Nisokatra omaly ary haharitra hatramin’ny rahampitso alahady andro ny hetsika momba ny mariazy dia ny « Mariage en fête » tanterahina eny amin’ny Le Pavé Antaninarenina.
Andiany voalohany izy io, izay natao ho an’ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny fanambadiana. Omen-danja avokoa ireo dingana telo tsy azo tsinontsinoavina miainga amin’ny vodiondry, ny fisoratana ara-panjakana ary ny fanamasinana ny mariazy any am-piangonana. Ankoatra an’ireo mpikarakara mariazy, izay mitazona tranoheva efa mahazatra amin’ny hetsika tahaka itony mantsy, ankoatra an’ireo mpikarakara sakafo, mpanamboatra mofomamy, mpanaingo efitrano sy mpivarotra akanjo ihany koa, dia miara-miasa amin’ny mpikabary ihany koa ny mpikarakara satria anisan’ny manana ny lanjany amin’ny fanambadiana Malagasy ny kabary, toy ny amin’ny vodiondry. Tsy adino ny lafiny ara-panjakana ka ahitana solontenan’ny kaominina ihany koa, ahafahana miresadresaka momba ny fisoratam-panambadiana, ary ny Fikambanan’ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly, sampana mpivady sy ankohonana kosa no mizara tantsoroka amin’ny lafiny ara-panahy. Misy ny boky torolalana momba ny mariazy “Annuaire mariage Viavy Tsara”, andiany faharoa, izay 5.000Ar solom-pidirana mandritra ny hetsika , ary 3.000 Ar kosa ny vidim-pidirana, raha tsy manjifa ilay boky. Mpifankatia (couple) hatramin’ny 5000 isa no andrasana ho avy mandritra ny 3 andro, hoy Rtoa Anja Noeliarivelo, izay avy ao amin’ny Tandem, mpikarakara an’ity “Mariage en fête” ity.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.