Actualités

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina


  • Zoma 15 Novambra 2019

Nahazo famatsiam-bola 26 tapitrisa euros (104 miliara ariary) avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny governemanta Malagasy, izay haompana amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny herinaratra.

 

 

 

Tontosa omaly ny fifanaovan-tsonia. Niatrika izany Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika  Giovanni Di Girolammo niara-dia tamin’ny delegasionina notarihin-Rtoa Isabelle Delattre, Lehiben’ny rantsan’ny Vondrona Eoropeanina miandraikitra ny faritra Atsimon’i Afrika sy ny Ranomasimbe Indianina. Ho an’ny firenena Malagasy kosa dia ny minisitry ny toekarena Richard Randriamandrato, ny minisitry ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo. Tokony hisy fiantraikany amin’ny fivahan’ny olan’ny angovo sy herinaratra eto amintsika ny tahaka izao na ho ela na ho haingana. Io sehatra io izay tena mampijaly amin’izao, kanefa iankinan’ny toekarena sy ny famokarana na dia vao ny 15% amin’ny Malagasy aza no misitraka herinaratra. Ankoatra io, dia naneho ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny alalan’ny masoivohony Giovanni Di Girolamo nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Léon, fa hanampy an’i Madagasikara amin’ny fiarovana ny sisin-dranomasintsika sy ny harena an-dranomasina ny Eoropeanina. Nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao ihany koa moa ny delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina, ka anisan’ny noresahina ny fiaraha-miasa toy ny tontolon’ny jono misy loharanom-bola hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT