Nesorina tamin’ny toerany araka ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra natao ny 13 febroary lasa teo ny tale misahana ny “Regulation des Medias”
eo anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina. Ny 12 febroary dia nampatsiahy ny filankevitry ny governemanta tamin’ny alalan’ity ministera ity ihany fa atomboka ny hetsika fanambaram-pisiana ho an’ireo orinasana haino aman-jery mba hahafahana manadio io sehatra iray io. Matoa misy tompon’andraikitra nesorina, dia tsy nahavita ny andraikitra sy iraka nampanaovina azy. Tsy tongatonga ho azy ireo fanapahan-kevitra roa ireo fa misy tanjona tiana hahatongavana. Efa mandeha ny feo fa onjam-peo (Radio) maro manerana ny Nosy no mety hakatona. Tsy mbola voatondro mazava kosa ny fomba sy ny fotoana hanatanterahana azy. Sao dia efa nampanaovina ny iraka saingy tsy nahavita no nanesorana ny tompon’andraikitra ? Mitombina ny fepetra raisina raha misy tokoa ireo tsy ara-dalàna sy tsy manaja ny bokin’andraikitra, na tsy mahaloa hetra ara-dalàna. Ny mampiahiahy anefa dia sao paika sy tetika hamelezana ireo haino aman-jery tsy mitovy fomba fijery amin’ny fitondrana ka sahy mamaky bantsilana ny tsy mety eto no tena antony. Olon’ny serasera, ary mpanao gazety anisan’ny nasiaka fomba fiteny tamin’ny fanadihadiana nataony ny minisitra am-perinasa ary mahafantatra tsara ny lanjan’ny asa fanaovan-gazety sy serasera. Mety niova ny fomba fijery rehefa lasa amina toerana politika, ka mety mankarary sofina, ohatra, ny mihaino ny famakafakana ataona mpanao gazety amina onjam-peo sasany, satria mety manokatra ny masom-panahin’ny olom-pirenena hahita ny zava-misy marina. Manana adidy sy iraka goavana amin’ny fiarovana ny fanjakana ny minisitra. Saika fomba fiadin’ny mpitondra nifanesy teto ny mifehy sy mangeja ny haino aman-jery. Tsy tokony hohadinoina anefa fa zavatra efa raiki-tapisaka amin’ny firenena demokratika ny fahasamihafan’ny hevitra mifamoivoy, ny fahafahana maneho hevitra, ary zon’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka ny hahazo sy hahafantatra ny vaovao momba ny fiainam-pirenena sy ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Inoana fa efa mivory matetika sy mandinika tsara aloha ny manampahefana, tompon’andraikitra isan-tsokajiny, teknisianina vao hiroso amin’ny fanakatonana haino aman-jery raha tsy maintsy hatao ilay izy. Ny zo hahazo vaovao sy haneho hevitra mihitsy no mety ho voatohintohina kanefa hatramin’ny 2009 no nidradradradrana sy niadivana an’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.