Efa nisahana andraikitra maro teo anivon’ny fitsarana malagasy ny mpitsara vaovao, Jacques Randrianasolo, hoy ny mpahay lalàna Imbiky Herilaza.
Lehiben’ny fampanoavana teto Antananarivo izy ny taona 2002. Tonian’ny fitsarana avo avy eo. Efa niandraikitra toerana ambony teo anivon’ny filankevitra ambony momba ny mpitsara ihany koa. Andrasana ity minisitra ity, hoy izy, mba hanohy ny ady amin’ny kolikoly, indrindra ny fanatsarana ilay fahaleovantenan’ny fitsarana marina eo amin’ny fanavaozana ny filankevitry ny mpitsara. Eo ihany koa ny fitsarana an-tampony. Tokony hapetraka, hoy ny tenany, ny fahamatorana eo amin’ny resaka fitantanana ny volam-panjakana izany hoe ny resaka “cours des comptes” satria izay tsy lany amin’ny mpiasa dia lasa lany amin’ny fomba hafa. Mila fanavaozana koa ny resaka mari-karaman’ireo mpitsara na “grille indicière” ary ny andrasan’ny vahoaka moa izany dia ny fampitoviana ny rehetra eo amin’ny fitsarana. Ho an’ny mpahay lalàna Willy Razafinjatovo kosa na Olala dia olana ny kolikoly sy ny tsindry bokotra ka antony mahatonga ny fitsaram-bahoaka. Ilaina ny fampihavanana eo anivon’ny samy mpitsara sy ny mpitsara amin’ny vahoaka. Tokony ho ny fahamarinana no hivoaka amin’ny fitsarana ary tsy misy afa-tsy ny fampanjakana izay no vahaolana, hoy ny tenany. Ho anay samy ao anatiny kosa dia na omena fahaleovantena aza ny mpitsara ka rehefa tsy miova ny fitondran-tenany dia vao mainka hanahirana, hoy kosa ny Maitre Olala. Ireo olom-pirenena ihany koa dia manantena fa ho sahy hiady amin’ny kolikoly ity minisitry ny fitsarana vaovao ity fa izay ihany no hamerina ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fahefana mpitsara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.