Mivoatra hatrany ny tontolon’ny teknolojia sy ny fifandraisan-davitra ary anisan’ireo miezaka ny tsy ho taraiky amin’izany ireo mpisehatra eto Madagasikara.
Ho an’ny orinasa Telma manokana dia hisy ny tolotra manokana ao anatin’izao fetin’ny mpifankatia izao, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Hahenika manerana ny nosy ny fahafaha-mifandray amin’ny aterineto amin’ny alalan’ny tolotra 4G tsara indrindra sy Wifi ary Hotspot. Matanjaka dia matanjaka izy io, raha ny voambara ary nampatsiahivin’izy ireo moa fa ao anatin’izany dia misy ny atao hoe « système KaiOS ». Izy io dia ahafahana mandika na manampy zavatra maro na dia anaty finday tendrena tanana aza, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.