Actualités

Tontolon’ny sarimihetsika Miala any ny volavolan-dalŕna hiarovana azy


  • Zoma 18 Novambra 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly Ramitandrinarivo Beau-Temps, talen’ny Office Malgache du Cinéma fa tsy mbola manana fiarovana mitovy amin’ireo mpihira eto amintsika ny fianakaviamben’ny mpilalao sarimihetsika Malagasy.

 

 Voafaoka ao anatin’izany  ny  mpilalao, ny mpanatontosa, eny hatramin’ireo mpamokatra. Tsy hipetra-potsiny ny OMACI manoloana izany fa hamolavola  volavolan-dalàna  entina hitsinjovana ireo mpisehatra  amin’ity filalaovana sarimihetsika ity izay tena miroborobo  sy mahazo vahana tokoa eto amintsika. Ankoatra izay dia fantatra fa handray fepetra mikasika ny tsy fanarahan-dalàna hataon’ireo olona mpanaparitaka ny sangan’asan’ ireo mpilalao sarimihetsika eto amintsika tsy amim-piheverana ihany koa ny OMACI.  Lohalaharana amin’izany ny piraty. Nomarihin’ity tale jeneralin’ny OMACI ity hatrany moa fa  ho avy tsy ho ela ny   ny fananganana sekoly natokana hianarana  sarimihetsika eto  Madagasikara mba hahamatihanina tanteraka ity sehatra iray ity. Tsy maintsy hankatoavin’ny fanjakana anefa ny sekoly vao afaka hiasa sy handray ireo mpianatra liana. Efa mipetrapetraka avokoa ireo ho an’ny mpihira  Malagasy na dia mbola misy ihany aza ny indro kely.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT