Hotanterahina amin’ny volana desambra ho avy izao ny hetsika mahakasika ny lamaody sy ny famoronana Tendance Show 2014 eny amin’ny café de la Gare Soarano. Hita ao avokoa raha ny nambaran’ny mpikarakara ny mahakasika ny
lamaody rehetra manomboka any amin’ny fampisehoana ny asa famoronana ka hatramin’ny filatroana isan-karazany. Mampiavaka ity indray mitoraka ity raha ny nambaran-dramatoa Hary Yvette tompon’ny hetsika dia ny fandraisan’anjaran’ireo mpikarakara hay ara-tsakafo maro be eo ihany koa ny fandraisan’anjaran’ireo mpamorona eo amin’ny sehatry ny hosodoko sy ny sary sokitra. Ho an’ireo tia milatro dia nambarany fa misy ihany koa ny fifantenana ireo tovolahy sy tovovavy liana amin’izany ny 22 oktobra izao etsy Soarano ihany. Marihana fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny fandaharana Tendance Show ity hetsika izay karakarain’izy ireo ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.