Na dia 7 volana monja aza ny fotoam-piasana izay nitantanan`ny minisitry ny Fitsarana, Rtoa Norovololona Harimisa, dia nisy ny ezaka vitan`ny minisitera tao anatin`ny fotoana fohy.
Ankoatra ny fanatanterahana ireo fotodrafitrasa amin`ny fampandrosoana nataon`ny minisitera dia zavatra anisan`ny lehibe ireo dosie nanaovana ezaka tao anatin`ny fotoana fohy nahafahana namoaka ireo antontan-taratasy tara teo anivon`ny Fitsarana an-tampony. Eny anivon`ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fitsarana ambony dia nisy ezaka natao sy fanamby izay nolazaina hoe nifamadika ny “ratio” teo amin`ny gadra sy ireo voaheloha. Nilaza izy fa ezaka eo amin`ny “cellule de veille stratègique” mahakasika izany ary nandray ny valin`ny ezaka tamin`ny taona 2018. Mahakasika ny fanatsarana fomba fiasa izay naverina amin`ny laoniny ny fanajana ny fitsipika dia ao anatin`ny famerenana ny hasin`ny fitsarana. Ohatra noraisiny ny fanajana fotoana. Miainga amin`ny zavatra bitika ka mizotra sy mitohy any amin`ny zavatra lehibe kokoa, hoy Rtoa Norovololona Harimisa. Faniriana ny hitohizan`ny fanatsarana efa nisy tao amin`ny minisiteran`ny Fitsarana toy ny fanavaozana ny fikarakarana ny zon` olombelona sy ny zon`ny voafonja. Tamin`ity taona 2019 ity, nitombo 100% ny tetibola hikarakarana ny zon`ny voafonja ka ao anatin`izany ny fanombohana ny “guide de la diet carcerale” izay efa natomboka tany Toliara sy Miarinarivo ka hiova karazany telo ny sakafon`ny voafonja fa tsy hijanona mangahazo, hoy hatrany ny fanazavana. Nambarany izany tamin`ny fanokafana ofisialy ny taom-piasana 2019-2020, omaly, tetsy amin`ny Fitsarana Tampony Anosy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.