Actualités

Tontolon’ny fandraharahana Lesoka goavana eto Madagasikara


  • Alatsinainy 02 Mey 2016

Teboka iray tsy mbola maharesy lahatra ny Vondrona eoropeanina ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny masoivohony Antonio Sanchez-Benedito.

 

Horesahana ao anatin’ilay loabary an-dasy ara-toekarena hiarahan’ity vondrona ity amin’ny firenena Malagasy mandritra ny fanamarihana ny herinandron’i Eoropa rahateo izy io ao anatin’ny lohahevitra «Cadre des Investissements et Commerce». Laharana faha-164 amin’ny firenena 189 hatreto no misy an’i Madagasikara, araka ny «Doing Business 2016». Fanambin’ny governemanta ankehitriny moa ny hampivoatra ity sehatra mbola ahitana lesoka goavana ity. Mikendry ny hampiakatra io toerana io hatrany amin’ny laharana faha-80 ihany koa ny avy ao amin’ny « Economic Development Board of Madagascar». Tanjona mbola tena lavitr’ezaka raha ny zava-misy eto amin’ny firenena raha tsy hilaza afa-tsy ny fahasarotana amin’ireo dingana fananganana orinasa fotsiny, ohatra. Ankoatra ity farany dia singa maro hafa no voaresaka ao anatin’io sehatry ny fandraharahana io toy ny fanomezan-dalana fanorenana, ny fisitrahana herinaratra, ny fampindramam-bola, ny fiarovana ireo mpandraharaha madinika na ny fandoavan-ketra sy haba. Tsapa tamin’ireo fanambarana sy famelabelaran-kevitra nataon’ny masoivohon’ny vondrona eoropeanina eto amintsika fa mitaky ezaka goavana amin’i Madagasikara momba ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ankoatra ny fametrahanany fitoniana ara-politika ny Eoropeanina vao tena hiroso amin’ny fanampiana ara-bola matevina kokoa.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT